FARITRA ANALANJIROFO: NAKATONA NY FITRANDRAHANA VOLAMENA TSY ARA-DALÀNA TAO MANANONOKA VAVATENINA

Harena an-kibon’ny tany tsara tantana, seha-pihariana manara-dalàna, sitrahan’ny besinimaro ary mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena, ireo no isan’ny tanjona kendren’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny

fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana

Nakatona ny toeram-pitrandrahana ary nogiazana avy hatrany ireo fitaovana nampiasaina nanaovana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tao Mananonoka Vavatenina.

Taorian’ny fitarainana avy amin’ny olom-boafidy eny ifotony sy angom-baovao momba ny fisian’ny fitrandrahana volamena mampiasa fitaovana hary fomba ao amin’ny renirano Sahavatoina dia nirotsaka an-tsehatra ireo mpamita iraka avy amin’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany foibe sy ny Fitaleavam-paritra DRMIM Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo.

Nijery mivantana ny zava-misy ny delegasiona ary hita tokoa fa nisy izany fitrandrahana volamena voalaza izany. Rehefa natao ny fisavàna nataon’ny Police des Mines dia tsy nisy taratasy sady tsy manana fahazoan-dalana ireo izay nanatanteraka izany. Voamarina araka izany fa nisy ny fandikan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany amin’izao tranga izao. Tsy tratra tao an-toerana moa ny tompo-marika tamin’ny fampiasàna ireo fitaovana ireo. Niroso tamin’ny fanadihadiana tsotsotra ireo olona am-polony niasa tao an-toerana ny avy amin’ny Foibem-pitondran’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany. Tomponandraikitra iray no natolotra ny ambaratonga mahefa ho fanohizana ny famotorana ary araka ny andraikitra tandrify ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny tranga toy izao dia efa tontosa ny fampitàna ny fitanana an-tsoratra amin’ny ambaratonga manaraka hiandraikitra ny tohin’ny famotorana sy ny raharaham-pitsarana.

Isan’ny tanjona kendrena hatrany ny hamantarana izay tambajotra ambadiky ny fitrandrahana antsokosoko toa izao, hanamafisana ny ady atao amin’ny fandrobana ny harem-pirenena

MIM/DCRP – Juillet 2024