Ivato, 14/03/2025- Lancement officiel du standard MICA CRAFT : une norme spécifiquement conçue pour les mines artisanales de mica à Madagascar, et dont le développement a été initié par la RMI (Responsible Mica Initiative) en 2023

S’appuyant sur le CRAFT, qui est une norme internationale reconnue pour les mines artisanales et à petite échelle développée par l’Alliance for Responsible Mining (ARM), le MICA CRAFT a été conçu pour répondre aux défis uniques de l’exploitation minière artisanale du mica à Madagascar, notamment la pauvreté extrême des mineurs et leur manque de ressources pour investir dans des équipements sûrs.

FITRANDRAHANA ELADRANO : Fanolorana ny fenitra MICA CRAFT momba ny fitrandrahana madinika

Isan’ny iankinan’ny ain-dehiben’ny asa velon-tena amin’ny faritra maro eto Madagasikara ny fitrandrahana eladrano na mica, raha tsy hilaza hafa tsy ho an’ny Faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana ary Ihorombe, izay mahakasika olona 10.000 ka hatramin’ny 20.000 eo ho eo. Raha ny tarehimarika voaray dia manodidina ny 100.000 taonina isan-taona ny vokatra mika eto Madagasikara, ka ny 90% amin’ireo dia aondrana any Chine. Miteraka fidiram-bola eo amin’ny 20 tapitrisa dolara izany, raha ny voalaza hatrany. Na eo aza anefa ireo fandraisan’anjara ara- toe-karena ireo, dia mbola misy tsizarizary ny fepetran’ny asa, ary mety hampidi-doza ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

Notanterahana androany Zoma 14 Martsa 2025 teny amin’ny Mining Business Center eny Ivato ny atrikasa fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fenitra MICA CRAFT, izay novolavolaina manokana ho an’ny fitrandrahana mica madinika eto Madagasikara, ary novoizin’ny RMI (Responsible Mica Initiative) nanomboka ny taona 2023. Izao hetsika izao dia mifanindran-dalana tamin’ny atrikasa natao ny 03 Desambra 2024, nanehoana ireo fenitra sy rafitra azo ampiharina amin’ny fitrandrahana madinika ny eladrano, niarahana tamin’ny Fikambanan’ny mpanondrana vato indostrialy na AEPI. Tanjona hatrany ny hitondrana fanatsarana hiantohana ny fanajana ny zon’olombelona sy fanatsarana ny toetry ny asa amin’izany firandrahana eladrano izany.

Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana tanterahan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, manaraka ireo vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny fampidirana amin’ny sehatra manara-dalàna sy fanaovana matihanina ny fitrandrahana madinika. Ankoatra ny fanohizana ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona eo amin’ny fitrandrahana eladrano, dia teboka telo no notsindrian’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier manokana dia voalohany ny momba ny fampahafantarana ny fenitra amin’ireo mpisehatra anatin’ny rojom-pamatsiana (miainga amin’ny fitrandrahana ny eladrano, ny fanaovana « tri », ny fanangonana sy fitaterana vokatra, ny fanondranana ary ny fampodiana vola vahiny) ; faharoa ny fanovàna ny toe-tsaina amin’ny fanohizana ny fampiharana maharitra ny fenitra, ary fahatelo ny fampifanarahana ny fenitra amin’ny lalàna manan-kery sy ny zava-misy eto an-toerana. Narosony ihany koa ny soso-kevitra ny amin’ny hanaparihana ny fenitra amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izay hahitana fitrandrahana eladrano, mba tsy ho ny faritra Anosy sy Androy irery ihany no hisitraka sy hahafantatra izany. Mampiavaka ity fenitra ity ny fandraisana anjaran’ny mpisehetra rehetra amin’ny rojom-pamatsiana ny eladrano.

Nanamafy izany Ramatoa Marine GOURVÈS, Responsable Pays an’ny Responsible Mica Initiative na RMI eto Madagasikara. Dingana vaovao sy manan-danja amin’ny ho avin’ny fitrandrahana eladrano eto Madagasikara ny fanehoana fiaraha-mientana sy fiaraha-miombon’antoka marolafy iarahan’ny avy amin’ny antokon-draharaham-panjakana, ny mpiara-miombon’antoka, ny fiaraha-monim-pirenena, ireo ONG samihafa voakasika hahatrarana ny tanjona amin’ny fametrahana seha-pihariana eladrano tomponandraikitra manaraka ny fenitra takian’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny fanazavany. Tanjon’ny fenitra ny hanokafana lalana hanatsarana ny fomba fiasa ho an’ireo mpitrandraka madinika mba ho seha-pihariana hitondra tombontsoa ho an’ny mpiantsehatra sy hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny seha-pihariana eladrano, raha ny nambarany hatrany.