FIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA AMERIKANA : dinika momba ny fanavaozana ny AGOA sy ny fiaraha-miasa momba ny akoran-karena an-kibon’ny tany voasokajy ho « minéraux critiques » tanterahana any Washington

Nanomboka omaly any Washington, DC ny adisisika tanterahan’ny delegasiona Malagasy avy amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina momba ny fanavaozana mifandraika amin’ny AGOA sy ny fiaraha-miasa momba ny « minéraux critiques », ka fihaonana tamin’ireo mpanao lalàna amerikana no notanterahana voalohany tamin’izany.

Ankoatra ny Masoivohon’i Madagasikara any Amerika, Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa, izay efa any an-toerana rahateo dia isan’ny mandrafitra ny delegasiona mamita iraka Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy Andriamatoa RALAMBOFIRINGA David, Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Eo ihany koa ireo mpitantana ny avy amin’ny sehatra tsy miankina avy aty Madagasikara.

Niray feo tamin’izany adisisika ho tombontsoan’ny firenena malagasy izany ireo avy amin’ny orinasa mivondrona anatin’ny GEM, GEFP, MAZAVA sy ny orinasa amerikana Energy Fuels, ny Fikambanana « American Apparel and Footwear Association » sy ny « African Coalition for Trade ».

Ankoatra izay dia teboka niompanan’ny fifampiresahana ihany koa ny hisitrahan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa avy amin’ny AGOA sy ny fijerena ireo fomba ahafahana manamafy orina ny fifandraisana ara-toe-karena eo amin’ny firenena roa tonta.