AKOM-BAOVAO DRMIM FARITRA VATOVAVY : FIHAONANA TAMIN’IREO BEN’NY TANANA AO ANATIN’NY DISTRIKAN’I MANANJARY
Nandray anjara tamin’ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny Tanàna ao anatin’ny Distrikan’ny Mananjary, Faritra Vatovavy, izay nokarakarain’ny prefektioran’ny Mananjary, ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Vatovavy, ny BCMM Manakara, ny solontenan’ny Centrale de l’Or de Madagascar (COM), ny 12 sy 13 Martsa 2025.
Araka izany, ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany dia nampahafantatra ireo didy aman-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy nizara amin’ny ankapobeny ny andraikitry ny Ben’ny Tanàna amin’ity sehatra ity. Ny Talen’ny BCMM Manakara kosa dia nampahafantra ireo karazana fahazoan-dàlana ahafahana mitrandraka ary ny Solontenan’ny COM dia nanazava ny andraikitr’ity ratsamangaikan’ny Ministera ity eo amin’ny sehatry ny volamena ary nilazalaza ny amin’ny karabolamena sy ny karatry ny mpanangom-bolamena.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy