Filankevitry ny Minisitra : Alarobia 19 Martsa 2025
Dingana goavana amin’ny firosoana hatrany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany sy volamena no tontosa indray nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahana ny Alarobia 19 Martsa 2025. Isan’ny tanjona lehibe imasoan’ny Fitondram-panjakana ny hampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny vokatry ny taniny ka tafiditra amin’izany indrindra izao fanapahan-kevitra izao.
Ho an’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany dia nisy ny fankatoavana ireo Fampitàna am-bava mikasika ny:
Akoranafo : fanafoanana 21 « titres miniers » lany daty amin’ny fitrandrahana akoran’afo sy fanambaràna ny faran’ny « contrats de partage de production associés » miisa 21
Fahazoan-dalana momba ny harena an-kibon’ny tany (Permis Miniers) : fanafoanana ireo « permis miniers » tsy ara-dalàna sy fanavaozana “permis de recherche” miisa 47 (tsy tafiditra ao anatiny ny fahazoan-dalana ho an’ny volamena) ary “permis réservés aux exploitants artisanaux” miisa 102
Seha-pihariana volamena : paikady fanondranana ara-dalàna ny volamena sy ny famerenana ny fandrafetana ny tahirim-bolamena nasionaly
Indro ny rohy hahafahanao manaraka ny Tatitra manontolo an’izany Filankevitry ny Minisitra izany