FIHAONAMBE HO FAMETRAHANA ROJOM-PAMATSINA ELADRANO TOMPONANDRAIKITRA « CHAINE D’APPROVISIONNEMENT EN MICA RESPONSABLE »

Ho firosoana tsikelikely mankany amin’ny fametrahana seha-pitrandrahana Harena an-kibon’ny tany tomponandraikitra eto Madagasikara dia nisy ny Fihaonambe mikasika ny lalam-pihariana Eladrano (Mica) izay natao tao amin’ny « Mining Business Center » MBC Ivato ny Talata 03 Desambra 2024 lasa teo.

Nisy ny fampahafantarana manokana mikasika ny zo sy andraikitr’ireo mpisehatra amin’ny Eladrano sy ny fampidirana ankapobeny mikasika ny fitsipi-pitondrantena (Code de conduite) araka ny didy aman-dalàna manan-kery avy amin’ireo Tale Teknika Foibe. Nisy ihany koa ny famelabelarana samihafa manodidina ny fametrahana rojom-pamatsiana Eladrano tomponandraikitra izay nentin’ireo mpiaramiombonantoka toy ny ONG PACT Madagascar sy ny Association RMI. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Association des Exportateurs des Pierres Industrielles (AEPI) Anôsy sy ny Direction Générale des Mines.

Tonga nanatrika ny atrikasa ireo mpisehatra samihafa toy ny mpividy sy mpanondrana Eladrano avy amin’ny Faritra Anôsy, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Vakinankaratra, Analamanga, Atsinanana ary nasaina manokana ireo Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany miandraikitra ireo Faritra ireo.

Tonga nanome voninahitra ary nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity ny Ministry ny Harena an-kibon’ny Tany Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Ankoatra ny fampanajàna ny zon’olombelona sy ny zon’ny ankizy ary ny fitandroana ny lafiny tontolo iainana dia nasian’Andriamatoa Minisitra tsindrim-peo manokana ny mikasika ny « traçabilité », izay mamaritra ny toerana marina nipoiran’ny vokatry ny harena an-kibon’ny tany, mba hahafahan’ireo Kaominina sy Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana misitraka ny tamberim-bidy avy amin’ny fivoahan’ny harena an-kibon’ny tany avy ao aminy.

Fikambanana ivondronan’ireo mpanondrana harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Faritra Anôsy ny AEPI, izy ireo izay mahazo tan-tsoroka sy fanohanana avy amin’ny ONG PACT Madagascar amin’ny alalan’ny tetikasa « Madagascar SHINES ». Ity atrikasa ity dia natao mba hanapariahana sy hizaràna ireo fahaiza-manao, hanamorana ny fametrahana ny fenitra tomponandraikitra eo amin’ny lalam-pihariana Eladrano, sady fampivondronana ihany koa ireo mpividy sy mpanondrana Eladrano manerana an’i Madagasikara.

Marihina moa fa ny Madagascar SHINES, izay vatsian’ny Departemanta Amerikana misahana ny Asa (USDOL) vola, dia anisan’iro tetikasa miady amin’ny fampiasana ankizy eo amin’ny lalam-pihariana Eladrano any amin’ny Faritra Anôsy.