FARITRA AMORON’I MANIA : toeram-pitrandrahana maro notsidihana tany amin’ny Kaominina Mandrosonoro, Distrika Ambatofinandrahana
Nanatanteraka fidinana ifotony ny Fitaleavam-paritry harena an-kibon’ny tany Amoron’i Mania nanomboka ny 03 Desambra 2024 lasa teo. Toera-pitrandrahana maromaro no natao fitsidihana nandritra izany fidinana ifotony izany : Tsingirifiry, Ambatofotsy, Ankiperatra, Mandabe, Ambinara, ary Basimaty izay samy ao anatin’ny Kaominina Mandrosonoro, Distrika Ambatofinandrahana avokoa.
Nampatsiahivana ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ny tokony hatao ho fiarovana amin’ny loza mety hitranga amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany amin’izao akaiky fahavaratra izao. Tsy hadino ihany koa ny fampatsiahivana ny fanarahana hatrany ny lalàna ary indrindra ny fanajana ny fenitra ara-tontolo iainana sy fahadiovana amin’ireo toera-pitrandrahana.
Mba hahafahana mametraka ny vondron’ny mpitrandraka madinika sy ny mpanivana volamena, hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna dia nisy ihany koa ny fitsirihana teny ifotony. Tsikaritra nandritra izao fidinana ifotony izao fa liana ireo vahoaka mpitrandraka any fotony hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Amoron’i Mania