AKOM-BAOVAO DRMIM BETSIBOKA : FIHAONANA TAMIN’IREO BEN’NY TANANA AO ANATIN’NY DISTRIKA MAEVATANANA
Notanterahina tao antampon-tananan’ny Maevatanàna, tao amin’ny trano fivoriana Préfecture, ny 03 Marsa 2025, ny fihaonana tamin’ny ireo Ben’ny Tanàna ato anatin’ny Distrikan’i Maevatanàna.
Nifandimby nandray fitenena ny Talem-paritry ny Harena An-kibon’ny Tany DRMIM Betsiboka sy ny Tale BCMM ary ny solon-tenan’ny Centrale de l’Or (COM) Betsiboka nandritra izany, nazavaina nandritra izany ny :
- Momba ny sehatra ny harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny, sy ny fehezan-dalàna ary ireo didim-panjakana fototra mifehy azy,
- Ny andraikitra sahanin’ny BCMM, sy ireo karazana fazahoan-dalana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany.
- Ny andraikitra sahanin’ny COM, indrindra indrindra ny momba ny sehatra volamena, izay miantomboka any amin’ny fitrandrahana ka miafara amin’ny fanangonana sy fanondranana azy.
Fampitam-baovao sy sary : DRMIM Betsiboka