FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’ NY MASOIVOHON’I AFRIKA ATSIMO TAMIN’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY TENY AMPANDRIANOMBY NY 06 MARTSA 2025
Firenena mifamatotra ara-tantara i Madagasikara sy i Afrika Atsimo ary efa naharitra 33 taona izao no nisian’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Isan’izany ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ny ady ho fanafoanana ny Apartheid ka nametrahana ny onjam-peo nahafahana nampahafantatra ny zava-misy sy nanaparitaka ny vaovao momba ny tolona tamin’izany.
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier teto amin’ny toeram-piasany teto Ampandrianomby, ny Alakamisy 06 Martsa 2025 Andriamatoa KHAZAMULA Lawrence Chabane, Masoivohon’i Repoblikan’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara.
Efa lasa lavitra amin’ny fitrandrahana manara-penitra ny harena ankibon’ny tany i Afrika Atsimo, ka teboka maromaro no nifampiresahan’ny roa tonta tao anatin’ity fihaonana androany ity.
Isany teboka nimasoan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ny fampahafantarana ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ireo irika ahafahan’ny mpampiasa vola Afrikana Tatsimo misehatra amin’ny fampiasam-bola eo amin’ity seha-pihariana ity, ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy sy ny fanamafisana orina ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. « Firenena manana fahaiza-manao amin’ny lafiny fampitaovana sy tao-java-baventy i Africa Atsimo », raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany hatrany , « tombony ho antsika ny maha samy firenena mikambana ao anatin’ny vondrona SADC an’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo », hoy izy , « hanovozana sy hifampizarana traikefa tsy amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ihany fa amin’ny fivelarana sy fifandraisana eo amin’ny samy Afrikanina ».
« Ankoatra ny fifanakalozana traikefa, ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta sy ny samy firenena Afrikanina dia handray ohatra an’i Madagasikara i Afrika Atsimo amin’ny fampivondronana ny mpitrandraka madinika ho ao anatin’ny « Zone d’encadrement » hahafahan’ny mpitrandraka madinika any aminy miasa sy misehatra ao anatin’ny ara-dalàna », araka ny nambaran’ny Masoivohony tao anatin’ny fitsidihana nataony.
MIM/DCRP – Mars 2025