FARITRA FITOVINAGNY : Fametrahana « Zone d’encadrement » hanomezana tantsoroka ireo mpisivam-bolamena tao Ambalaroka
Ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ho fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna sy fanaovana matihanina ireo ireo mpisivam-bolamena, dia mitohy ny asa fametrahana faritra fitrandrahana antsoina hoe « Zone d’encadrement » ataon’ny Ministeran’ny Harena An-kibon’ny tany.
Tafiditra amin’izany indrindra dia nisy fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena An-kibon’ny tany DRMIM FITOVINAGNY sy ny BCMM Manakara tao amin’ny Fokontany Farafasy, Kaominina Ambanivohitra AMBALAROKA Distrika MANAKARA ny alatsinainy 10 Martsa 2025 lasa teo izay namaritana an’ireo faritra trandran’ireo vahoaka eny ifotony.
Mialoha an’izany dia nisy ny fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny Ben’ny Tanana lefitry ny Kaominina voalaza io. Nampahafantarana ihany koa ny Lalàna mifehy ny Harena An-kibon’ny Tany sy izay mety ho tombotsoa azon’ny kaominina amin’ny fampidirana ireo mpisehatra rehetra amin’ny ara-dalana.
Faly tokoa arak’izany ny teo anivon’ny kaominina sy ireo mpitrandraka madinika ary nisaotra ny Fitondram-panjakana amin’izao ezaka manakaiky vahoaka atao izao ho fanampiana azy ireo amin’ny fampandrosoana sy ho fanampiana ihany koa ireo mpitrandraka mba hahamatianina ny asa fitrandrahana ataon’izy ireo.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM FITOVINAGNY