Tontolo andro maintso, fambolen-kazo notanterahan’ireo fitalevam-paritra DRMRS Amoron’i Mania, DRMRS Alaotra Mangoro, DRMRS Vakinankaratra
Mifarimbona mitondra ny anjara birikiny ho fanatrarana ny vina Madagasikara rakotra ala hatrany ireo eny anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika. Ny Zoma faha-25 febroary 2022 no nanatanterahana ireto hetsika ireto
Ho an’ny DRMRS Amoron’i Mania, tao amin’ny Fokontany Tetikanana Kaominina Ambonivohitra Ambatofinandrahana,
Zanakazo kininina sy Acacia miisa 5 000 fototra avy amin’ny DREDD Amoron’i Mania no novolena amin’ny tany Domaine Forestier National eo Tetikanana izay mirefy 5 hekitara .
Namaly ny antson’ny Fitaleavam-paritra ireo tompon’andraiki-panjakana eny an-toerana, notronin’ireo raiamandreny to teny teo an-tanana, ireo lehibe ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina, ny mpiasam-panjakana sivily sy miaramila isan-tsokajiny, ireo solontenan’ny andrimasompokonolona isam-pokotany manerana ny Kaominina maro, ary indrindra ireo mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany (mpitrandraka, mpanangona, mpanodina, mpanondrana,…)
Nanolotra omby miisa 3 sy zava-pisotro ireo mpisehatra eo amin’ny Harena an-kibon’ny tany izay nozaraina tamin’ny rehetra ho nofon-kena mitam-pihavanana.
Ho an’ny DRMRS Alaotra Mangoro, tao Ambodiakondro Ambatondrazaka ny fambolen-kazo izay niarahan’ny Fitaleavam-paritra sy ny BCMM Alaotra Mangoro tamin’ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny Tany ao amin’ny Faritra.
Zanakazo kininina miisa 2000 no novolena tamin’ny velarantany 2 hekitara eo ho eo. Nahitana ny solontenan’ny mpitrandraka avy amin’ny Distrika Andilamena, Amparafaravola, Moramanga, Ambatondrazaka.
Tao Andraikiba Antsirabe kosa no nanatanterahana ny fambolen-kazo niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika sy ny BCMM ary ireo mpisehatra rehetra amin’ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nahitana karazany efatra ireo zanakazo novolena. Antony manokana nisafidianana ny toerana nambolena ny hazo ny Farihin’Andraikiba izay mamatsy rano ny tanànan’Antsirabe, nefa tandindomin-doza amin’ny faharitany noho ny doro tanety sy ny fanapahana hazo eny an-toerana.
Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Amoron’i Mania – DRMRS Alaotra Mangoro – DRMRS Vakinankaratra
MMRS/DCRI – Février 2022