Akom-baovao DIRMRS Mahajanga: Fiaraha-miasa amin’ny BIANCO momban’ny fisorohana ny kolikoly
Nisy ny fihaonana teo amin’ny STAC na STructure Anti-Corruption eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika, sy ireo mpiandraikitra ny fisorohana eo anivon’ny Bianco Mahajanga ny 22 Febroary lasa teo. Araka ny tomban’ezaka izay natao dia voambara fa anisan’ny efa lasa lavitra kokoa ny STAC Mines Mahajanga raha oharina amin’ireo sehatra hafa izay misy ao Mahajanga. Na izany aza, mitohy hatrany ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly.
Nampahatsiahivina nandritra izao fihaonana izao ireo trangana kolikoly izay fahita matetika ka ilàna fahamailoana, ary koa ny tokony hanohizana hatrany ny tatitra toy ny fanao isan-taona ny amin’ny zava-bita ho an’ny tompon’andraikitra isan-tokony.
Fampitam-baovao sy sary : DIRMRS Mahajanga