Akom-baovao DIRMRS Toamasina: Atrikasa fanentanana sy fampahafantarana momba ny lalàna mikasika ny sehatra harena ankibon’ny tany

Tontosa omaly maraina 6 Oktobra 2021 tao Toamasina renivohitra ny Atrikasa izay niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Toamasina sy BCMM Toamasina nikarakara, nampitondraina ny lohahevitra hoe « Atelier de sensibilisation et vulgarisation des textes sur le secteur minier ».Atrikasa izay natokana ho an’ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila avy amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ireo ONG miara-miasa amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Navitrika ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, izay hita tokoa fa liam-pahalalana, ka isan’ny noresahana tamin’izany ny momba ny fanomezan-dalana hitrandraka, ireo tamberim-bidy, ireo antotan-taratasim-panjakana samihafa, ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy ny fandikan-dalana, ny zon’ny tompon-tany manoloana ny fitrandrahana.Tetsy andanin’izany, nisy ireo soso-kevitra avy amin’ny mpandray anjara toy ny fijerena ireo zo manodidina ny fananan-tany, ny fanampiana ny Kaominina amin’ny karieram – bato, ny fanaovana izao atrikasa izao ho an’ny mpitandro ny filaminana manokana sy ho amin’ireo Sampan-draharaha misy any an-toerana mba hisian’ ny fifankahazoan-kevitra bebe kokoa.Nanome voninahitra izany hetsika izany ireo solontenam-panjakana any an-toerana toy ny Préfet Toamasina, izay nitarika ny atrikasa, notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana sy ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Ambonivohitra ny Toamasina.Fampitam-baovao: DIRMRS Toamasina