Fitokanana ny BAM Mananjary: Zoma 08 Oktobra 2021
Tafatsangana soa aman-tsara ny Bureau d’Administration Minière na BAM Mananjary ary notokanan’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy natolotra ny Faritra Vatovavy. Tany an-toerana ary nanamafy ny tanjona amin’ny fametrahana ny Fanjakana manakaiky vahoaka ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian, sady Minisitra misahana vonjimaika ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika. Apetraka eny ifotony ireo BAM, izay biraom-pitantanan-draharaha momba ny harena an-kibon’ny tany, ho fitsinjovana ireo mpisehatra fa indrindra ihany koa mba hisian’ny fanaraha-maso sy ho fitantanana mahomby sy mangarahara ny harena an-kibon’ny tany, ka hitondran’izany ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Androany Zoma 08 Oktobra 2021 no nanatanterahana ny lanonam-pitokanana izany fotodrafitrasa vaovao izany tao Tsaravary Mananjary, ary tafiditra ao anatin’ireo andiana fitokanana fotodrafitrasa sy zava-bita notanterahan’ny Filoham-pirenena tao Mananjary, nandritra ny diany tamin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’i Vatovavy ho Faritra faha-23 eto Madagasikara. Naneho ny hafaliany sy velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana ireo tomponandraikitra sy vahoaka hisitraka izany fotodrafitrasa izany.