DRMRS MELAKY: Fidinana ifotony tao amin’ny fari-pitrandrahana QUARTZ o ANDRANOVORIBE MAROVOAY Atsimo

Tontosa soa aman-tsara ny fidinana ifotony fampahafantarana sy fanentanana izay nataon’ny Fitaleavam-paritry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika DRMRS Melaky tao Andranovoribe, Fokontany Anosibe, Kaominina Marovoay Sud, Distrika Besalampy ny 14 sy 15 Oktobra 2021 izay toerana misy fitrandrahana quartz (cristal). Ahitana toeram-pitrandrahana roa amin’ ity toerana ity : ao anatiny alan’i Ambakoa ary ao ivelany ala izay toerana malalaka midadasika.

Nohamafisin’ ny Fitaleavam-paritry ny harena ankibon’ny tany Melaky nandritra ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpitrandraka fa voarara ary tsy azo ekena ny fitrandrahana vato anatin’ny ala izay faritra arovana. Ka taorian’ireo fampahafantarana sy fanentanana dia nanapa-kevitra ny rehetra ary nifanaiky an-taratasy fa ho foanana tsy misy hatakandro ny fitrandrahana vato anaty ala, ho totofana ireo lavaka ary ho volena zana-kazo. Ka ny toerana iray izay tsy misy ala sady midadasika no sisa azo hanaovana ny asa fitrandrahana.

Ankoatr’izany, nanamafy koa ireo tomponandraikitry ny DRMRS Melaky ny amin’ny tokony hananganana Fikambanana mpitrandraka madinika mba hanamorana ny fampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalana.

Lavitra sy saro-dalana ny toerana naleha izay mirefy ho 225 km miala an’i Maintirano, ka ny 35 km amin’izany no tsy maintsy natao dia tongotra nandritra ny ora valo. Naneho ny hafaliany sy fankasitrahany ireo mpitrandraka tamin’izao hetsika izao satria hita sy tsapa, hoy izy ireo, ny fanatrarana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena dia ny Fanjakana manakaiky vahoaka. Sambany hatramin’ny nisian’ity tanàna ity no nisy tompon’andraikim-panjakana nidina tany an-toerana, hoy hatrany izy ireo.

Fampitam-baovao : DRMRS Melaky