Akom-baovao DRMRS Vakinankaratra: Fampahafantarana ireo dingana firosoana amin’ny ara-dalàna – Kaominina Alatsinainy Ibity
Anisan’ny Kaominina ahitana harena an-kibon’ny tany betsaka ny Kaominina Alatsinainy Ibity, Distrika Antsirabe II nefa mbola maro ireo misehatra izany ao anatin’ny tsy ara-dalàna. Manamarina izany ny fisian’ny tsenam-bato ao an-toerana isaky ny Alatsinainy.
Nidina ifotony teny amin’ity Kaominina ity omaly Alatsinainy 27 Desambra 2021 ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Vakinankaratra, niaraka tamin’ny Police des Mines any an-toerana nanentana sy nampahafantatra ny lalana rehetra tokony hodiavin’ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ireo mba hahatonga azy ireo ho ara-dalana tanteraka amin’izany sehatra izany.
Taorian’izany fampahafantarana izany dia resy lahatra tanteraka izy ireo ny hiroso amin’ny asa manara-dalàna. Ny Ben’ny Tanana any an-toerana dia nampanantena ihany koa fa handray anjara mavitrika amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny Fitaleavam-paritra amin’ny fampidirana ireo mpisehatra rehetra amin’ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny fari-piadidiany ho amin’ny ara-dalana tanteraka.
Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Vakinankaratra