FANANANGANAN-TSAINA SY FIFAMPIARAHABANA TAOM-BAOVAO 2022
Nanatrika ny fananganan-tsaina voalohany ho an’ny taona vaovao, niarahana tamin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika ny Praiminisitra NTSAY Christian sady Minisitra mitantana vonjimaika ity departemanta ity.
Nisolo tena ny mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ny Tale Jeneraly misahana ny loharanon-karena stratejika (DGRS), Andriamatoa VELONARIVO Pascal Clovis, nitondra ny teny fiarahabana sy firariantsoa an’Andriamatoa Praiminisitra amin’ny maha Ray aman-dReny sady tompon’andraikitra voalohany azy eto amin’ity Ministera ity.
Nazava ny toromarika ho an’ny mpiara-miasa : lalan-tsaina tokony hananan’ny tsirairay ny fahitsiana sy fahamarinana ary fitiavan-Tanindrazana amin’ny fanatanterahana ny asa aman’andraikiny, ho tombontsoan’ny firenena sy tombontsoa iombonana. Mila fiaraha-mientana sy fahaizana miara-miasa izany, hoy hatrany ny Praiminisitra.
Nirary soa ny mpiasa sy ny fianakaviany ny tenany ary nanafatra ny rehetra ho mailo sy hitandrina manoloana ny valanaretina Covid-19.