Akom-baovao DRMRS Melaky – Fidinana ifotony ho fanatsarana ny asa vato

26-27 Janoary 2022 : Tontosa soamantsara ny Fidinana ifotony izay nataony Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS  Melaky sy ny Lehiben’ny Ala, tao amin’ny karieran’ Ankara CR ANDABOTOKA, Distrika Maintirano, toeram-pitrandrahana agate.

Fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpiasa vato ka nanehoan’izy ireo ny fahavononany hiroso amin’ny sehatra ny ara-dalana taorian’ny fampahatsiahivana sy fanentanana. Nasiana tsindrim-peo manokana tamin’izany ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy.

Maro ireo karazana olana nitarainan’ireo mpiasa vato ary niaraha-nanapaka tamin’izany ireo fepetra sy lamina ho entina manatsara ny tontolon’izany seha-pihariana asa vato izany, toy ny fanotofana ny lavaka aorian’ny fahavitan’ny asa, fampiasana fitaovam-pandanjana ho an’ny mpividy vato mba ialàna amin’ny tomba-maso, fananganana fikambanana mpangady sy mpividy vato.

Fampitam-baovao : DRMRS Melaky