DIRMRS FIANARANTSOA: FIJERENA IFOTONY HANARAHA-MASO NY ASA FIHARIANA VATO SAROBIDY TAO ANDOHANILAKAKA

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Commune Andohanilakaka ny teo anivon’ny DIRMRS Fianarantsoa ny Alarobia 30 sy Alakamisy 31 Martsa 2022, ho fanaraha-maso ireo mpividy sy mpanondrana vato sarobidy ao an-toerana.

Ankoatra ny fijerena akaiky ireo pitsopitsony momba ny asa sy ny manodidina ny resaka tamberim-bidy ho an’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana , natao ihany koa ny fanentananana ireo izay mbola tsy ara-dalana mba hiditra  ao amin’izany sehatra izany.

Maro ireo namaly an-kitsipo ny fitsirihana izay natao ary nangataka ny hanaovana izany matetika ho an’ny  rehetra satria misy ireo mbola minia tsy manara-dalàna.

Isaorana ny avy eo anivon’ny Commune izay nanampy sy nanamora ny fihaonana tamin’ ireo mpandraharaha. Naneho ny fahavononany hanaraka ireo toromarika avy amin’ny Fanjakana ireto farany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Fianarantsoa