Ady amin’ny fanondranana vato tsy ara-dalàna : vatosoa karazany 7 manodidina ny 55 taonina saron’ny Police des Mines

Mitohy hatrany ny fanadiovana, fanatsarana ary fanavaozana apetraky ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika amin’ny fitantanana ny sehatra iandraiketany, ary nahitam-bokany indray ny hetsika tafiditra ao anaty ady amin’ny fitrandrahana sy fivarotana vato tsy ara-dalàna, ny herinandro lasa teo.

Vatosoa milanja 55 Taonina eo ho eo no saron’ny Polisin’ny Harena

an-kibon’ny tany (Police des Mines) teto an-drenivohitra, teny am-pelatanan’ny mpandraharaha vato tsy ara-dalàna. Tsy tomombana ny antotan-taratasy manaporofo ny maha-ara-dalàna ny fitazonana ireo vato maro be ireo teo an-toerana rehefa nanatanteraka ny fisavana ny tomponandraikitra. Mahatratra 47 karazana ary amin’ny endriny samihafa ireo vato tratra, ary eo am-panatanterahana ny tombam-bidin’ireo vato ireo ny tomponandraikitra manam-pahaizana amin’izany ankehitriny.

Olona ahiahiana miisa roa no voasambotra tamin’ity raharaha ity ary efa mandeha ny famotorana. Manoloana ny fandikan-dalàna izay mitranga dia nogiazana ireo vato ireo, eo am-piandrasana izay ho tohin’ny raharaha araka izay takian’ny lalàna.

Nanamafy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena stratejika Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy manaiky mihitsy ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana tsy nahazoana alalana, ny fivarotana sy ny fikirakirana tsy manara-dalàna ireo harem-pirenena. Entaniny araka izany ireo izay liana amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, mba hanatanteraka izany ao anatin’ny sehatra ara-dalàna hatrany ka hanatona ireo biraom-paritry ny Ministera manerana ny Nosy.

Tsara ny manamarika fa ny fitrandrahana, fivarotana, fanangonana, fitaterana, fanondranana, na izay endrika rehetra fikirakirana harena ankibon’ny tany dia misy ny lalàna mifehy izany sy mamaritra ny antontan-taratasy ahafahana manatanteraka ny asa manodidina izany.

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————

Suite à des renseignements collectés, la Direction de la Police des Mines a appréhendé environ 55 Tonnes de 47 variétés de produits miniers, sans papier réglementaires conformes, dans les locaux d’une société exerçant des activités minières dans la Capitale.

Après constatation d’infraction minière, ces substances constitués essentiellement de pierres brutes, pierres ornementales travaillées, ainsi que quelques pierres fines et fossiles comme produits prohibés ont fait objet d’une saisie. L’expertise en laboratoire pour estimation de la valeur des objets saisis est en cours. Deux personnes suspectes ont été arrêtées et les procédures d’enquête sont déjà ouvertes.

Le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier a rappelé que l’Etat ne tolère point la gabegie sous toutes ses formes concernant notamment les activités illicites touchant le domaine des ressources naturelles. Il incite ainsi les personnes qui sont intéressées par les activités minières à respecter les règlementations existantes dans l’exercice de leurs affaires et se référer aux responsables des Directions régionales dans toute l’Île pour tout renseignement sur les procédures nécessaires.

Il importe de noter que toutes formes d’activités comme l’exploitation, la commercialisation, la collecte, le transport des produits miniers sont régies par des textes et lois en vigueur.

MMRS/DCRI – Avril 2022