AKOM-BAOVAO DRMRS MELAKY : FIDINANA IFOTONY TAO ANDABOTOKA MAINTIRANO HO FAMETRAHANA NY ZONE D’ENCADREMENT

Fidinana ifotony nataon’ny Fitaleavam_paritry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS Melaky tao amin’ireo kariera miisa 3 ao anatin’ny kaominina Andabotoka distrikan’i Maintirano, omaly alarobia 10 Aogositra 2022, mba ho fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement ho an’ireo vondrona mpitrandraka madinika ny harena ankibon’ny tany aty Melaky sy ny fanamafisana ireo fepetra takiana amin’izany, dia mikasika ny fanajana ny tontolo iainana, tsy fampiasàna ny ankizy tsy ampy taona, indrindra ny fanajana ny fahadiovana sy lafiny  teknikam-pitrandrahana.

Faly araka izany ireo vahoaka mpitrandraka satria mahatsapa izy ireo fa manakaiky azy tokoa ny Fanjakana amin’ny fanatsarana ny asa fivelomany.

Mbola hitohy hatrany izany hetsika izany ho an’ireo kaominina hafa na distrika hafa ato Melaky izay misy ny asa fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany.

Nitarika ny hetsika ny Talem_paritra DRMRS Melaky Kinendry Razanadratefa Zoto, niaraka tamin’ny Ben’ny tanànan’i Andabotoka Ramilavonjy Raberson sy ireo namana mpiara miasa.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky

MMRS/DCRI – Août 2022