AKOM-BAOVAO DRMRS MELAKY : Kariera maromaro tao Belengo notsidihana hametrahana Zone d’encadrement

Nitohy tany amin’ny Distrikan’i Antsalova ao amin’ny Kariera maromaro tao Belengo indray ny fidinana ifotony nataon’ny Fitaleavam_paritry ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika Melaky, amin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » ho an’ireo mpitrandraka madinika ny harena ankibon’ny tany sy fanamafisana ny fepetra takiana amnzany.

Ankoatr’zay dia nentanina ihany koa ireo mpitrandraka madinika mba hanaja ny tontolo iainana sy ny fahadiovana ao anatiny sy ny manodidina ny toeram_pitrandrahana sy ny lafiny maro samihafa.

Ny Talem-paritra DRMRS Melaky Kinendry Razanadratefa Zoto hatrany no nitarika ny hetsika niaraka tamin’ireo namana mpiara miasa.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky

MMRS/DCRI – Août 2022