FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NY MMRS NATAON’NY MASOIVOHON’I KOREA 16/08/2022

Nandray ny Masoivohon’i Korea SON Yongho teny amin’ny toeram-piasany teny amin’ny Mining Business Center teny Ivato ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika Olivier Herindrainy RAKOTOMALALA, ny Talata 16 Aogositra 2022.

Lohahevitra mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, fifanakalozana, ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, teboka nivoitra sy voaresaka nandritra ny fihaonana ireo. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara eo amin’ity sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ity io Masoivoho vahiny io raha nanatontosa fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitra tompon’andraikitra.

Miara-miasa i Korea sy i Madagasikara, misy ireo tetikasa iarahana sy novatsian’i Korea raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Nampahatsiahivin’ity mpikambana eo anivon’ny Governemanta ity fa raha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany manokana dia manana petra-bola ao anatin’ny tetikasa Ambatovy ny Koreana amin’ny alalan’ny Korea Resources Corporation.

Nohararaotin’ny Masoivoho Koreana ity fihaonana ity nanasana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany malagasy hanatrika ny kongresy iraisam-pirenena momba ny resaka fanarenana ny toerana avy nitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izay hatao any Korea ny volana Novambra amin’ity taona ity.

———

VISITE DE COURTOISIE DE L’AMBASSADEUR DE LA CORÉE AUPRÈS DU MMRS AU MBC IVATO 16/08/2022

SEM Yongho SON, Ambassadeur de la République de Corée a été reçu par  SEM Olivier Herindrainy RAKOTOMALALA, Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques de Madagascar ce mardi 16 Août 2022 au Mining Business Center à Ivato. Divers sujets concernant le secteur minier, des échanges ainsi que la coopération bilatérale entre la République de Corée et Madagascar figurent parmi les points abordés durant cette rencontre.

Lors de cette visite de courtoisie auprès du numéro un du Ministère, le diplomate a affirmé son engagement de collaborer avec la Grande île dans ledit domaine. De son côté, le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques a relevé qu’effectivement, il y a des projets financés et en collaboration avec la République de Corée. Concernant le secteur extractif, la Corée est actionnaire du projet Ambatovy via la société Korea Resources Corporation (KORES ).

Le représentant de la République de Corée en terre malgache a profité de cette rencontre pour inviter le Ministre des Mines malagasy à participer au Symposium international sur la réhabilitation des sites miniers qui se tiendra en Corée au mois de Novembre de cette année.

©️ MMRS/DCRI – Août 2022