AKOM-BAOVAON’NY FARITRA : FAKAN-KEVITRA NASIONALY MOMBA NY FANAVAOZANA NY FEHEZAN-DALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Araka ny fandaharam-potoana voalahatra dia androany Alarobia faha-17 Aogositra 2022 no notanterahana teny anivon’ireo renivohi-paritra sy toerana ahitana Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika manerana ny Nosy ny fanohizana ny fanangonana ny hevitr’ireo tomponandraiki-panjakana eny anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-panjakana sy ireo mpiantsehatra isan-tsokajiny amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany.

Tonga maro namaly ny antso sy nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fizaràna sy fanehoan-kevitra ireo nasaina.

Araho an-tsary ireo Akom-baovao avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro – SAVA – Melaky – Amoron’Imania – Fitovinany sy Atsimo Atsinanana – Matsiatra Ambony – Vakinankaratra – Atsimo Andrefana – Androy – Betsiboka

Hitohy rahampitso Alakamisy faha-18 Aogositra 2022 eny amin’ny Mining Business Center Ivato ny fakan-kevitra ho an’ny Vondrona voakasik’izany, araka ny fandaharam-potoana voalahatra.

Azo atao hatrany ny mandefa izay soso-kevitra sy fanamarihana  hatramin’ny Talata 23 Aogositra 2022, ao amin’ny adiresy mailaka:  codeminier22@gmail.com

MMRS/DCRI – Août 2022