AKOM-BAOVAO DRMRS MELAKY : FANENTANANA SY FAMPAHAFANTARANA TAO MAFAJIJO MAINTIRANO HO FAMETRAHANA NY ZONE D’ENCADREMENT
Tao amin’ny kariera Ambôritsy ao anaty kaominina Mafaijijo Distrikan’i Maintirano indray no nanohizan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanokkarena stratejika DRMRS Melaky ny fanentanana sy fampahafantarana an’ireo mpitrandraka vato madinika izay miasa ao. Ny mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana, tsy fampiasana ny ankizy tsy ampy taona ao anatin’ny kariera, fanajana ny fahadiovana manodidina ary ny lafiny teknika-pitrandrahana sns…
Izao no natao dia mba ho fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny atao hoe « Zone d’encadrement » ho an’ny mpitrandraka madinika, raha ny nambaran’ny Talem-paritra DRMRS Melaky RAZANADRATEFA Zoto Kinendry.
Niara-dalana taminy tamin’izany ny Solombavambahoakan’i Maintirano AFAKANDRO Alphonse sy ny Prefen’i Maintirano SOLONDRAZANA Jacquinot, ary ireo tomponandraikitra isan-tokony sivily sy miaramila. Niomom-peo samy nanamafy an’izany fanentanana izany avokoa ireo tomponandraikitra ireo, indrindra mba hisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana maharitra ho an’ny vahoaka any amin’ny kariera.
Farany dia nentanin’ny prefen’i Maintirano ireo vahoaka maro any an-toerana mba handray anjara mavitrika amin’ny fanaovana kopia sy karam-panondro maimaim-poana rehefa tonga ny fotoana hanatanterahan’ny Fanjakana izany.
Manoloana ireo rehetra ireo dia nahafaly ireo vahoaka izao fitsidihana narahina fanentanana samihafa nataon’ireo tomponandraiki-panjakana izao, satria mahatsapa izy ireo fa tsy manadino azy ireo ny Fanjakana na dia any ambany ravin-kazo aza izy ireo, indrindra fa ny fitsinjovana ny asa fiveloman’izy ireo izao.
Fampitam-baovao sy Sary : Talem-paritra DRMRS Melaky
MMRS/DCRI – Septembre 2022