AKOM-BAOVAO DRMRS MENABE : FITSIDIHANA IFOTONY TAO MIANDRIVAZO SY MALAIMBANDY
Ny Zoma faha-7 Oktobra 2022 dia tonga nidina ifotony tany amin’ny Faritra Menabe, Kaominina Ambonivohitra Miandrivazo, Distrika Miandrivazo sy Kaominina Ambanivohitra Malaimbandy, Distrika Mahabo Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika sy ny mpiara-miasa aminy.
Nandritra izany diany izany no nihaonany tamin’ireo tomponandraikitra sy solontenam-panjakana avy amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka, ireo tomponandraikitry ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka any an-toerana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra DRMRS Menabe. Nisy ny fahampahafantarana sy fifanakalozan-kevitra ny amin’ny fanatsaràna ny fandrindràna ny asa mba tsy hisy hifanitsaka andraikitra. Nisaotra manokana tamin’ny fiaraha-miasa ary nampirisika hatrany ny fanaraha-maso ireo vokatra mandalo ao amin’ny Distrika Miandrivazo Andriamatoa Sekretera Jeneraly.
Fihaonana niarahana tamin’Andriamatoa Ben’ny tanàna sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Malaimbandy no notanterahana taorian’izay, ary narahana fitsirihana ireo toerana efatra fanatobiana ireo vokatry ny harena an-kibon’ny tany. Marihina fa ireo vokatra ( Lépidolite, Spodumène ary beryllium) dia avy any amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mandrosonoro- Distrika Ambatofinandrahana- Faritra Amoron’i Mania.
Ny Sabotsy faha-08 Oktobra dia nihaona tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny DRMRS Menabe ny tenany. Nanamafy ny fanentanana amin’ny tokony hanajana ny lalàna sy fitsipika mifehy ny asam-panjakana, sady nihaino ireo hetahetan’ny mpiasa.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe
MMRS/DCRI – Octobre 2022