FARITRA DIANA sy SAVA : AKON’NY FITSIDIHAM-PARITRA NATAON’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Tonga nanao fitsidihana ifotony tao amin’ny Faritra DIANA ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Fijerena ny tena zava-misy marina sy fanaraha-maso ny fizotry ny fitantanana ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny harena an-kibon’ny tany no anton’izay fidinana ifotony izay.
Antsiranana
Tao Antsiranana, ny zoma 21 oktobra 2022, dia nihaona tamin’ireo tomponandraiki-panjakana tao an-toerana ny Minisitra, ka anisan’izany ny Governoran’ny Faritra DIANA, ny Préfet Antsiranana, ary ireo tomponandraikitra miaramila, zandary sy polisy ao Antsiranana. Nandritra ny dinikasa natao niaraka tamin’izy ireo, tao amin’ny biraon’ny Faritra, no nanazavan’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ny andinindin’ireo fanavaozana izay nentin’ny ministera sy ny fitondram-panjakana tarihan’ny Filohan’ny Repoblika, RAJOELINA Andry, mba hanatsarana hatrany ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy mba afahan’ny vondrona ifotony misitraka izany. Tao aorian’izay dia nijery ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, ary ny biraon’ny BCCM ny Minisitra RAKOTOMALALA Olivier Herindrainy. Nitafa tamin’ireo mpiara-miasa. Ary koa nandray sy nidinika tamin’ireo mpandrahara misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany tao Antsiranana. Nanamafy ihany koa ny Ministra mba hitandroana ny fikajiana ny tontolo iainana sy mba hanentanana mahakasika ny ady amin’ny doro ala sy doro tanety.
Ambilobe – Betsiaka
Nitsidika ny distrikan’Ambilobe ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ny Asabotsy 22 oktobra 2022. Nijery ny birao ifotony ny harena an-kibon’ny tany (BAM) ao Ambilobe sy nitapatapan-kahitra tamin’ireo mpiara-miasa ny Ministra. Nitafa ihany koa tamin’ireo tomponandraiki-panjakana tao an-toerana izy ka anisan’izany ny Lehiben’ny Distrika. Nanazava moa ny ministra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier mahakasika ny drafitry ny fitondram-panjakana mahakasika ny fanatsarana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ny Lehiben’ny Distrika kosa dia nankasitraka ny fidinana ifotony nataon’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika indrindra tao Ambilobe izay sompitry ny volamena eto Madagasikara, raha ny nambarany. Tao aorian’izay dia nidina nijery ny toerana fitrandrahana volamena tao Betsiaka ny Ministra. Nihaona tamin’ny Ben’ny Tanana tao an-toerana ary nanamafy io Olom-boafidy io ny hetahetan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, toy ny Kaominina Betsiaka, mba hanatsarana ny fahafahan’izy ireo misitraka ny tamberim-bidy mba hampandrosoana ny kaominina. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika tao an-toerana. Nihaino ny zava-misy marina mahakasika azy ireo ny ministra RAKOTOMALALA Olivier Herindrainy. Nanamafy hatrany koa ny Minisitra mba hitandroaana ny fikajiana ny tontolo iainana sy mba hanentana mahakasika ny ady amin’ny doro ala sy doro tanety.
Fampitam-baovao sy sary : MMRS CAB
DCRI – Octobre 2022