FARITRA DIANA sy SAVA : AKON’NY FITSIDIHAM-PARITRA NATAON’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Daraina-Vohemar
Ny Asabotsy 22 oktobra 2022 dia nitsidika ny Kaominina ambanivohitra Daraina, distrikan’ny Vohemar, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Faritra ahitana fitrandrahana volamena ihany koa i Daraina. Nisy ny fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna tao an-toerana ka ity farany dia nanamafy ny tokony fanatsarana ny fomba hitsitrahan’ny kaominina ny tamberin’ireo fitrandrahana ao an-toerana mba entina hampandrosoana ny tanana. Ny Minisitra kosa dia nanazava ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mba hanatsarana hatrany ny seha-pihariana volamena. Nanentana ihany koa izy ny amin’ny tokony hitohizan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Fanjakana foibe sy ny kaominina ary ireo mpisehatra hafa eny ifotony mba hahombiazan’ny ezaka fanatsarana. Nihaona sy nihaino ny hetahetan’ireo vondron’olona ifotony misehatra amin’ny fitrandrahana volamena ao Daraina ihany koa ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Nanamafy ihany koa ny Ministra mba hitandroana ny fikajiana ny tontolo iainana sy mba hanentana mahakasika ny ady amin’ny dora ala sy doro tanety.
Vohemar
Ny Alahady 23 oktobra 2022 dia nitsidika ny fizotry ny fananganana ny birao ifotony misahana ny harena an-kibon’ny tany BAM Vohemar ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Efa vita ny 95 % ny asa ka miroso amin’ny famaranana izany ankehitriny ny orinasa miandraikitra izany. Nanamafy ny antom-pisian’ny birao tahaka an’io hitsangana tsy ho ela ao Vohemar io ny Minisitra ka nambarany fa tanjon’ny fitondram-panjakana tarihan’ny Filohan’ny Repoblika, RAJOELINA Andry, ny fanjakana manakaiky vahoaka. Ka izany indrindra no tena antony hananganana ny foton-drafitr’asa ifotony tahaka io biraom-panjakana misahana ny harena an-kibon’ny tany ao Vohemar io. Takiana ihany koa, hoy hatrany ny Minisitra, ny fanarahana ny fenitra amin’ny fanangana foto-drafitrasa tahaka izao, mifanaraka amin’ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika. Nitafa ihany koa tamin’ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’ny Vohémar sy ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Ambonivohitra Vohemar ny Ministra RAKOTOMALALA Olivier Herindrainy. Nitondra teny fisaorana tamin’ireo tompon’andraikitra ireo izy mahakasika ny fiaraha-misalahy eny ifotony amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Ary nosinganin’ny Minisitra manokana moa ny Kaominina Ambonivohitra Vohemar izay nanome ny tany hananganana ny birao ifotony misahana ny harena an-kibon’ny tany ao an-toerana. Nanamafy hatrany ny Minisitra ny amin’ny fanentanana mba hitandroana ny fikajiana ny tontolo iainana sy mba hanentana mahakasika ny ady amin’ny doro ala sy doro tanety.
Fampitam-baovao sy sary : MMRS CAB
DCRI – Octobre 2022