AKOM-BAOVAO DIRMRS FIANARANTSOA
Ho tohin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement izay politikan’ny Fanjakana tanterahan’ny Minisitera ho fampidirana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika anatin’ny sehatra ara-dalàna, dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Commune Fitampito tao Amboloando sy Ambahondrano ary tao amin’ny Commune Tsitondroina tao Vohitromby- Distrika Ikalamavony ny avy eo anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Fianarantsoa ny 04-05-06 Novambra lasa teo.
Nampahafantarina nandritra izany ny dingana atao ho fametrahana ny zone d’encadrement, izay ny olona eny ifotony no misitraka izany voalohany. Nomarihana manokana fa tsy mbola misy Zone d’encadrement na fikambanana mpitrandraka mbola nahazo alalana hitrandraka io toerana voalaza io.
Samy nankasitraka ny fandalovan’ny DIRMRS Fianarantsoa daholo moa ireo mpitrandraka sy tompon’andraikitra tratra tao an-toerana ary vonona hiditra ao anatin’ny ara-dalàna ary nisaotra indrindra indrindra ny Fitondram-panjakana manome sehatra ny mpitrandraka madinika.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa
MMRS/DCRI – Novembre 2022