AKOM-BAOVAO DRMRS SAVA

Mitohy hatrany ny fametrahana Zone d’Encadrement eny ifotony ho fandaminana sy fampanarahan-dalàna ny asa fihariana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Araka izany dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS SAVA tao amin’ny fokontany Andranotsimaty sy tao amin’ny fokontany Ankorera, samy ao amin’ny Kaominina ambanivohitry Daraina avokoa.

 Momba ny seha-pihariana volamena no nojerena tamin’izany, mba hanaraka ny lamina apetraky ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Resy lahatra ny mpitrandraka madinika tamin’ireo fanentanana maro samihafa fa hiditra ao anatin’ny ara-dalàna mba ho fiarovana ny asa fihariany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS SAVA

MMRS/DCRI – Novembre 2022